1 Samuel 4:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilahatra hiady amin’ny Israely ny Filistina, koa nony raikitra ny ady dia resin’ny Filistina ny Israely ary nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistinina, ka rafitra ny ady, dia resin’ny Filistinina i Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin’ny tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilahatra nanafika ny Israelita ny Filistinina ka nangotraka ny ady. Resy ny Israelita ary nahafatesana miaramila tokony ho efatra arivo tamin’izany ady izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilahatra hiady amin’ny Israely ny Filistina, koa nony raikitra ny ady dia resin’ny Filistina ny Israely ary nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
malagasy
Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.