1 Samuel 4:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nadiva hiala aina izy dia niteny taminy ireo vehivavy nitsangana teo anilany hoe: Aza matahotra, fa tera-dahy ianao. Nefa tsy namaly na nihaino izany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa ho faty izy no nilazan’ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: «Aza matahotra fa tera-dahy ianao». Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy izay nanampy azy teo hoe: –Aza matahotra fa zazalahy no naterakao. Nefa tsy namaly izy na niraharaha akory izay notenenina taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nadiva hiala aina izy dia niteny taminy ireo vehivavy nitsangana teo anilany hoe: Aza matahotra, fa tera-dahy ianao. Nefa tsy namaly na nihaino izany izy.
malagasy
Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.