1 Samuel 4:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Israely, satria efa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataony hoe Ikabôda no anaran’ny zaza, fa hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra noho ny nahalasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra sy ny nahafatesan’ny rafozany sy ny vadiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hoy izy hoe: –Nesorina tamin’i Israely ny voninahitr ’Andriamanitra, ka hataoko hoe Ikabôda no anaran’ny zaza! Io anarana io dia midika hoe «tsy misy voninahitra intsony» ka hahatsiahivana fa lasan-ko babo ny Vatamasin’Andriamanitra sady maty koa ny rafozan-dravehivavy sy ny vadiny.
Malagasy Bible 1865
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Israely, satria efa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
malagasy
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra]Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.