1 Samuel 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tany an-toby ny olona dia hoy ny loholon’ny Israely: Nahoana no namely antsika teo anoloan’ny Filistina NY TOMPO androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, fa rehefa tonga eto amintsika izany dia hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon’i Israely: «Nahoana i Iaveh no namely antsika teo anoloan’ny Filistinina androany? Andeha hoentina hankatỳ amintsika avy any silao ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafaverina tany amin’ny toby ireo sisa velona, dia hoy ny loholon ’i Israely hoe: –Nahoana no navelan’ny TOMPO ho resin’ny Filistinina isika androany? Andeha halaina any Silao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; fa rahefa mby eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tany an-toby ny olona dia hoy ny loholon’ny Israely: Nahoana no namely antsika teo anoloan’ny Filistina NY TOMPO androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, fa rehefa tonga eto amintsika izany dia hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika.
malagasy