1 Samuel 4:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga teo an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nihoby mafy ny Zanak’Israely rehetra ka nihorohoro ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niditra tao an-toby ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra, ka nanako ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga teo an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nihoby mafy ny Zanak’Israely rehetra ka nihorohoro ny tany.
malagasy
Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.