1 Samuel 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’ny Filistina ny hoby dia hoy izy: Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny Filistinina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy: «Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin’ny Hebrio izany?» Dia reny fa ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh no tonga tao an-toby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nandre izany horakora-pifaliana izany ny Filistinina, dia nifanontany hoe: –Fa inona no dikan’izao horakoraka be ao an-tobin’ny Hebreo izao? Vao fantatry ny Filistinina fa tonga ao an-tobin’i Israely ny Vatamasin’ny TOMPO,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’ny Filistina ny hoby dia hoy izy: Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
malagasy
Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.