1 Samuel 5:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naterin’ny olona nankany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia nitaraina ny Ekronita hoe: Nafindran’ny olona ho atỳ amintsika ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalefany nankany Hekrôna ny Vatamasin’Andriamanitra; nefa nony tonga tany izany, dia niantsoantso mafy ny mponin’i Hekrôna hoe: –Nafindra atỳ aminay mba hahafaty anay mianakavy ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary dia naterin'ny olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naterin’ny olona nankany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia nitaraina ny Ekronita hoe: Nafindran’ny olona ho atỳ amintsika ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.
malagasy