1 Samuel 5:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo mpitondra rehetra tamin’ny Filistina ka hiteny hoe: Alefaso hiala eto ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, ary aoka haverina any amin’ny toerany izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika. Nanerana ny tanàna mantsy ny horohoron’ny fahafatesana, satria navesatra tao tokoa ny tanan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka naniraka ny olona niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra izy, ka hoy izy: «Alefaso ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, hiverina any amin’izay nitoerany indray, mba tsy hahafaty anay sy ny firenenay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba nampiantsoan’izy ireo koa ireo andriana filohan’ny Filistinina ka nilazany hoe: –Avereno any amin’izay toerana nisy azy any ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely sao dia hahafaty anay rehetra. Fa hotakotaka mahatsiravina no tao an-tanàna satria mafy dia mafy koa no nafitsoky ny herin’ny Tompo tao;
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo mpitondra rehetra tamin’ny Filistina ka hiteny hoe: Alefaso hiala eto ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, ary aoka haverina any amin’ny toerany izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika. Nanerana ny tanàna mantsy ny horohoron’ny fahafatesana, satria navesatra tao tokoa ny tanan’Andriamanitra.
malagasy
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan'Andriamanitra.Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.