1 Samuel 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay tsy maty dia voan’ny vay, ary niakatra ho any an-danitra ny fitarainan’ny tao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ny fahafatesana, ary namely azy mafy ny tanan’Andriamanitra. Ny olona sisa tsy maty dia nasian’ny vay, ka nanakatra ny lanitra ny fibabababam-pahoriana avy tao an-tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka izay tsy maty dia voan’ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay tsy maty dia voan’ny vay, ary niakatra ho any an-danitra ny fitarainan’ny tao an-tanàna.
malagasy
Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.