1 Samuel 5:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitson’iny dia nifoha vao maraina ny Asdodita ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia narenin’ny olona izy ka naveriny teo amin’ny fitoerany indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso, nifoha maraina ny Azôtianina, ka indro i Dagôna nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh. Dia nalainy i Dagôna ka napetrany teo amin’ny fitoerany indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin’i Asdôda, dia nahita ny sarivongan’i Dagôna nidaboka nihohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO; natsangan’izy ireo izy ka napetrany indray tamin’ny toerany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitson’iny dia nifoha vao maraina ny Asdodita ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia narenin’ny olona izy ka naveriny teo amin’ny fitoerany indray.
malagasy