1 Samuel 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ampitson’iny indray dia nifoha vao maraina ny olona ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany indray, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, ary tapaka teo amin’ny tokonam-baravarana ny lohan’i Dagona sy ny felatanany roa, fa ny tenabeny ihany no sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso maraina manaraka dia hitan’ny olona fa mbola nidaboka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ampitson’iny indray dia nifoha vao maraina ny olona ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany indray, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, ary tapaka teo amin’ny tokonam-baravarana ny lohan’i Dagona sy ny felatanany roa, fa ny tenabeny ihany no sisa.
malagasy