1 Samuel 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitambesatra tamin’ny Asdodita ny tanan’NY TOMPO, fa nandringana azy Izy; nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tany amin’ny taniny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niampatra namely ny Azôtianina ny tanan’i Iaveh ka nampiferin’aina azy; fa namely azy tamin’ny vay, tao Azota sy tao amin’ny faritaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy zakan’ny mponin’i Asdôda ny famaizana nafitsoky ny herin’ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin’ireo mponina manodidina.
Malagasy Bible 1865
Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitambesatra tamin’ny Asdodita ny tanan’NY TOMPO, fa nandringana azy Izy; nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tany amin’ny taniny rehetra.
malagasy
Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.