1 Samuel 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny mponina tao Asdoda fa izany no zava-nitranga dia hoy izy: Aoka tsy hitoetra eto amintsika intsony ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, fa mitambesatra amintsika sy amin’i Dagona andriamanitsika ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita ny nahazo azy ny Azôtianina dia nanao hoe: «Aoka tsy hijanona atỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, fa manampatra ny tanany amintsika sy amin’i Dagôna andriamanitsika izy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahita ny nahazo azy ny mponin’i Asdôda, dia nanambara hoe: –Aoka tsy hitoetra eto amintsika ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely, fa ny nafitsoky ny heriny efa nampitondra ny mafy antsika sy an’i Dagôna andriamanitsika!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny mponina tao Asdoda fa izany no zava-nitranga dia hoy izy: Aoka tsy hitoetra eto amintsika intsony ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, fa mitambesatra amintsika sy amin’i Dagona andriamanitsika ny tanany.
malagasy