1 Samuel 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo andrianan’ny Filistina rehetra hankeo aminy hiteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely. Dia nafindrany ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: «Hataontsika ahoana ity Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Aoka hafindra any Geta ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely»; ka nafindra tao ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan’ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe: –Hataonay ahoana ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely? Dia hoy ireo filoha taminy: –Aoka hafindra hankany Gata izany! Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo andrianan’ny Filistina rehetra hankeo aminy hiteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely. Dia nafindrany ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely.
malagasy