1 Samuel 5:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voafindra anefa ny vata misy ny Fanekena dia namely ny tanàna ny tanan’NY TOMPO ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra tamin’izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo vantany vao nafindra tany dia niampatra namely ny tanàna ny tanan’i Iaveh, ka tsiravina indrindra ny tao, fa namely ny olona tao an-tanàna izy hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe ka nipoiran’ny vay izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa vantany vao tonga tany izany, dia namely ny mponina tao an-tanàna ny herin’ny TOMPO ka nahatonga hotakotaka goavana. Nasian’ny Tompo izy rehetra ka voan’ny kitso avokoa, nanomboka tamin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voafindra anefa ny vata misy ny Fanekena* dia namely ny tanàna ny tanan’NY TOMPO ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra tamin’izy ireo.
malagasy
Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.