1 Samuel 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nizotra mahitsy tamin’ny lalana mankany Bety-Semesy ny ombivavy; lalambe tokana no nandehanany, sady nitrena teny am-pandehanana izy ireo no tsy nivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, ary nanaraka azy hatrany amin’ny sisintanin’i Bety-Semesy ireo andrianan’ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy hatrany dia ny lalana mankany Bety-Samesy no nalehan’ireto omby vavy. Nizotra tamin’izany lalana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin’ny ankavanana izy, na ho amin’ny ankavia. Narahin’ny andrian’ny Filistinina avy eo aoriany izy hatrany amin’ny faritanin’i Bety-Samesy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy hatrany dia nihazo ny lalana mankany Bèty-Semesy ireo ombivavy; ka sady nandeha tamin’izany izy no tsy nitsaha-nimamà, ary tsy nivilivily niankavanana na niankavia. Ary ireo filohan’ny Filistinina nanaraka ny sarety hatrany amin’ny fizaran-tanin’i Bèty-Semesy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nizotra mahitsy tamin’ny lalana mankany Bety-Semesy ny ombivavy; lalambe tokana no nandehanany, sady nitrena teny am-pandehanana izy ireo no tsy nivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, ary nanaraka azy hatrany amin’ny sisintanin’i Bety-Semesy ireo andrianan’ny Filistina.
malagasy