1 Samuel 6:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga teo an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo ka namaky ny hazon’ny sarety ny olona ary nanolotra ny ombivavy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga teo amin’ny sahan’i Jôsoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an’i Iaveh ny ombivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao an-tsahan’i Josoa, lehilahy avy ao Bèty-Semesy, ny Vatamasina ka nijanona teo akaikin’ny vato lehibe iray. Novakîna madinika ny hazon-tsarety, ary natao sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO ireo ombivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga teo an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo ka namaky ny hazon’ny sarety ny olona ary nanolotra ny ombivavy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
malagasy