1 Samuel 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny levita dia nampidina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ireo sary volamena ka nametraka azy teo ambonin’ny vato lehibe. Tamin’izany andro izany, ny mponina tao Bety-Semesy dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voampidin’ny Levita ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny vata kely teo akaikiny nisy fanaka volamena, dia napetrany teo ambonin’ilay vato lehibe. Nanatitra sorona dorana sy sorona ho an’i Iaveh ny mponina tao Bety-Samesy tamin’izany andro izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampidinin’ny Levita ny Vatamasin’ny TOMPO sy ny vata kely nisy ireo sarin-javatra volamena niaraka taminy, ary dia samy napetrany teo ambonin’ilay vato lehibe. Tamin’io andro io ihany dia nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO ny olona tao Bèty-Semesy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny levita* dia nampidina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ireo sary volamena ka nametraka azy teo ambonin’ny vato lehibe. Tamin’izany andro izany, ny mponina tao Bety-Semesy dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.