1 Samuel 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto ny sary vay volamena natolotry ny Filistina ho fanati-panonerana ho an’NY TOMPO: Iray ho an’i Asdoda, iray ho an’i Gaza, iray ho an’i Askelona, iray ho an’i Gata ary iray ho an’i Ekrona;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no vay volamena nomen’ny Filistinina ho an’i Iaveh ho fanati-panonerana: iray tamin’i Azota, iray tamin’i Gazà, iray tamin’i Askalôna, iray tamin’i Geta, iray tamin’i Akarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izao ny amin’ireo kitso volamena izay naterin’ny Filistinina amin’ny TOMPO ho fanonerana: iray ho an’i Asdôda, iray ho an’i Gazà, iray ho an’i Askelôna, iray ho an’i Gata ary iray ho an’i Hekrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto ny sary vay volamena natolotry ny Filistina ho fanati-panonerana ho an’NY TOMPO: Iray ho an’i Asdoda, iray ho an’i Gaza, iray ho an’i Askelona, iray ho an’i Gata ary iray ho an’i Ekrona;
malagasy
Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;