1 Samuel 6:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny totozy volamena dia araka ny isan’ny tanàna rehetra an’ny Filistina, izay an’ireo andriana dimy, an’ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy mimanda, ka hatramin’ny vato lehibe izay nametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary mbola any an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita mandraka androany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny totozy volamena koa dia araka ny isan’ny tanànan’ny Filistinina rehetra an’ireo andriana dimy, na ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy misy manda. Vavolombelon’izany ny vatolampy lehibe izay nametrahana ny Fiaran’i Iaveh izay mbola eo amin’ny tanimbarin’i Jôsoe Betisamita mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo totozy volamena kosa dia natao araka ny isan’ny tanàna filistinina rehetra nentin’ireo filoha dimy, manomboka amin’ny tanànamimanda ka hatramin’ny tanàna kely eny ambanivohitra. Ny vato lehibe nametrahana ny Vatamasin’ny TOMPO no vavolombelon’izany; mandraka androany io vato io mbola ao an-tsahan’i Josoà, lehilahy avy any Betỳ-Semesy.
Malagasy Bible 1865
ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny totozy volamena dia araka ny isan’ny tanàna rehetra an’ny Filistina, izay an’ireo andriana dimy, an’ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy mimanda, ka hatramin’ny vato lehibe izay nametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary mbola any an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita mandraka androany izany.
malagasy