1 Samuel 6:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO namely ny mponina tao Bety-Semesy noho ny nijerijeren’ireo ny vata misy ny fanekeny, koa olona fitopolo tamin’ny dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian’NY TOMPO ka be dia be no maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foana ny Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty.