1 Samuel 6:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nampiantso ny mpisorona sy ny mpisikidy ny Filistina ary niteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO? Lazao aminay izay fomba hanateranay azy ho any amin’ny toerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nantsoin’ny Filistinina ny mpisorona mbamin’ny mpimasy, nilazany hoe: «Hatao ahoana ity Fiaran’i Iaveh? Lazao anay izay famerina azy amin’ny fitoerany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany dia nampaka ireo mpisorony sy mpimasiny ny Filistinina ka nanontany azy hoe: –Hataonay ahoana ny Vatamasin’ny TOMPO? Ambarao anay izay fomba hamerenana azy any amin’ny toerany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nampiantso ny mpisorona sy ny mpisikidy ny Filistina ary niteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO? Lazao aminay izay fomba hanateranay azy ho any amin’ny toerany.
malagasy
Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.