1 Samuel 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mponina tao Bety-Semesy: Iza no mahajanona eo anoloan’izao TOMPO Andriamanitra masina izao? Ho amin’iza no hiakarany rehefa miala amintsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny olona tao Bety-Samesy: «Iza no ho velona eo anoloan’i Iaveh, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin’iza no hiakarany, avy eto amintsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mponin’i Betỳ-Semesy: –Iza no hahajanona eo anatrehan’io TOMPO Andriamanitra Masina io? Ary aiza no hampiakarantsika ny Vatamasiny hanalavitra antsika?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mponina tao Bety-Semesy: Iza no mahajanona eo anoloan’izao TOMPO Andriamanitra masina izao? Ho amin’iza no hiakarany rehefa miala amintsika?
malagasy
Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.