1 Samuel 6:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina tao Kiriata-Jearima izy hilaza hoe: Efa naverin’ny Filistina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; koa midìna ianareo dia ento miakatra ho any aminareo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: «Naverin’ny Filistinina ny Fiaran’i Iaveh ka midìna ianareo hampiakatra azy ho any aminareo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandefa iraka ho any amin’ny mponin’i Kiriata-Jeharîma izy ireo mba hilaza aminy hoe: –Naverin’ny Filistinina ilay Vatamasin’ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina tao Kiriata-Jearima izy hilaza hoe: Efa naverin’ny Filistina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; koa midìna ianareo dia ento miakatra ho any aminareo izy.
malagasy
Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.