1 Samuel 6:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ireo: Raha averinareo ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely dia aza averina foana, fa manolora fanati-panonerana ho Azy ianareo mba ho sitrana, ary ho fantatrareo koa ny tsy nialan’ny tanany taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny: «Raha mamerina ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin’izay dia ho sitrana ianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan’ny tanany taminareo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireo namaly: –Raha hamerina ilay Vatamasin’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, dia aza averina foana amin’izao, fa tsy maintsy hanateranareo fanonerana Izy; dia ho sitrana ianareo ary ho fantatrareo ny anton’ny namelezan’io Andriamanitra io anareo tamin’ny heriny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ireo: Raha averinareo ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely dia aza averina foana, fa manolora fanati-panonerana ho Azy ianareo mba ho sitrana, ary ho fantatrareo koa ny tsy nialan’ny tanany taminareo.
malagasy