1 Samuel 6:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny manaova sarety vaovao, ary makà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin’ny sarety ny ombivavy ka ento miverina any an-tranony ny zanany hisaraka aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny manaova sarety iray vaovao, ary mangalà omby vavy roa mitaiza, tsy mbola nitondra jioga; afehezo amin’ny sarety ny ombivavy, ary ny zanany ento lavitra azy any an-tranon’omby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa manamboara sarety vaovao, dia makà ombivavy roa mitaiza sady tsy mbola nitondra zioga, ka rohizo amin’ny sarety, ary dia saraho aminy ho any am-balany ireo zanany.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny manaova sarety vaovao, ary makà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin’ny sarety ny ombivavy ka ento miverina any an-tranony ny zanany hisaraka aminy.
malagasy
Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.