1 Samuel 6:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia jereo, fa raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny taniny ho any Bety-Semesy izany dia NY TOMPO no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely fa kisendrasendra no nahavoa antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho hitanareo tsara fa raha mihazo ny lalana mankany amin’ny tanin’i Israely ka mizotra ho any Bèty-Semesy ireo ombivavy, dia midika izany fa ny Andriamanitry ny Israely no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa kisendrasendra ihany fa tsy ny heriny akory no namely antsika.
Malagasy Bible 1865
Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia jereo, fa raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny taniny ho any Bety-Semesy izany dia NY TOMPO no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely fa kisendrasendra no nahavoa antsika.
malagasy