1 Samuel 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-Jearima ka nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO niakatra; nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba, teo amin’ny havoana izy ireo, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.
Malagasy Bible 1865
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-Jearima ka nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO niakatra; nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba, teo amin’ny havoana izy ireo, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
malagasy
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]