1 Samuel 7:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nanolotra ny fanatitra dorana manontolo i Samoela dia nanatona hiady amin’ny Israely ny Filistina; fa NY TOMPO nampikotrokorana mafy tamin’ny Filistina tamin’izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ny Israely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola nanatitra ilay sorona i Samoela, dia nandroso hanafika an’i Israely kosa ny Filistinina. Tamin’izay indrindra anefa ny TOMPO no nampirefotra kotro-baratra tamin’ny miaramila filistinina sy nampifanaritaka azy, ka resin’ny Israelita izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nanolotra ny fanatitra dorana manontolo i Samoela dia nanatona hiady amin’ny Israely ny Filistina; fa NY TOMPO nampikotrokorana mafy tamin’ny Filistina tamin’izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ny Israely izy.
malagasy