1 Samuel 7:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka vato i Samoela ka nanorina azy teo anelanelan’i Mizpa sy Sena; ny anarany dia nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’NY TOMPO isika hatramin’izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka vato i Samoela ka nanorina azy teo anelanelan’i Mizpa sy Sena; ny anarany dia nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’NY TOMPO isika hatramin’izao.
malagasy
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]