1 Samuel 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra tao anatin’ny tanin’ny Israely intsony; ary ny tanan’NY TOMPO dia namely ny Filistina nandritra ny andro rehetra niainan’i Samoela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Menatra ny fahareseny loatra ny Filistinina, ka tsy sahy nitsofoka ny faritanin’i Israely intsony, satria ny TOMPO naneho ny heriny tamin’izy ireo nandritra ny andro rehetra niainan’i Samoela.
Malagasy Bible 1865
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra tao anatin’ny tanin’ny Israely intsony; ary ny tanan’NY TOMPO dia namely ny Filistina nandritra ny andro rehetra niainan’i Samoela.
malagasy
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.