1 Samuel 7:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanàna izay efa nalain’ny Filistina tamin’ny Israely dia azon’ny Israely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny tanin’izy ireo dia nalain’ny Israely tamin’ny tanan’ny Filistina koa. Ary nihavana ny Israely sy ny Amorita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny tanàna nalain’ny Filistinina tamin’i Israely, tafaverina amin’i Israely indray, hatrany Akarôna ka hatrany Geta; ny faritanin’izy ireo dia nalain’i Israely teo an-tanan’ny Filistinina. Ary ny Amôreana, nihavana tamin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ireo tanàna izay nalain’ny Filistinina tamin’ny Israelita, teo anelanelan’i Hekrôna sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin’ny Israelita; koa afaka teo an-tanan’ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin’ny Israelita sy ny Amôrita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanàna izay efa nalain’ny Filistina tamin’ny Israely dia azon’ny Israely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny tanin’izy ireo dia nalain’ny Israely tamin’ny tanan’ny Filistina koa. Ary nihavana ny Israely sy ny Amorita.
malagasy