1 Samuel 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’izany andro izany dia nitoetra ela, roapolo taona, tany Kiriata-Jearima ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary ny taranak’Israely rehetra dia nitaraina tamin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’izany andro izany dia nitoetra ela, roapolo taona, tany Kiriata-Jearima ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary ny taranak’Israely rehetra dia nitaraina tamin’NY TOMPO.
malagasy
[Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]