1 Samuel 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka zanak’ondry iray mbola minono i Samoela ka nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; ary nitaraina tamin’NY TOMPO ho an’ny Israely i Samoela ka nihaino azy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO; dia nitalaho tamin’ny TOMPO ho an’ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.
Malagasy Bible 1865
Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka zanak’ondry iray mbola minono i Samoela ka nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; ary nitaraina tamin’NY TOMPO ho an’ny Israely i Samoela ka nihaino azy NY TOMPO.
malagasy
Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.