1 Samuel 8:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Izao no ho fahefan’ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ny kalesy fitondrany miady sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy izy: «Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo: Ny zanaka lahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny sy hataony mpitaingin-tsoavaliny, ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ireto avy no zon’izay ho mpanjakanareo: ny zanakareo lahy dia halainy ka hataony miaramila mpitondra kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly, na hataony mpihazakazaka eo alohan’ny kalesiny;
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,