1 Samuel 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, henoy ihany ny feony, kanefa lazao marina aminy ka ambarao aminy ny ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, henoy ny feony; nefa manaova teny vavolombelona aminy, ary ampahafantaro azy ny fahefan’ny mpanjaka izay hanjaka aminy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia ekeo ihany ny fangatahany; kanefa aza misoron-teny aminy ianao fa atoroy azy ny zon’izay ho mpanjakany.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, henoy ihany ny feony, kanefa lazao marina aminy ka ambarao aminy ny ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
malagasy
Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.