1 Samuel 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly azy izy ireo hoe: Ao ihany izy; indro, ao alohanao ao izy; mandehana haingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izay, satria misy fanatitra hataon’ny vahoaka any amin’ny toerana fanaovana sorona anio;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy iretsy zazavavy namaly azy: «Ao ihany izy, indro izy ao alohanareo ao, fa mandehana faingana satria izy no tonga atỳ an-tanàna anio, dia misy sorona haterin’ny vahoaka anio eo amin’ny fitoerana avo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy no navalin’ireo tovovavy hoe: –Eny, ao izy, vao tonga talohanareo teo izy; koa faingàna ianareo, fa efa ao an-tanàna izy izao satria anio no andro fanateran’ny vahoaka sorona eo amin’ny toeram-panasinana.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly azy izy ireo hoe: Ao ihany izy; indro, ao alohanao ao izy; mandehana haingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izay, satria misy fanatitra hataon’ny vahoaka any amin’ny toerana fanaovana sorona anio;
malagasy