1 Samuel 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa raha vao miditra ao an-tanàna ianareo dia ho hitanareo izy raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ny toerana fanaovana sorona; fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, satria izy no manao fisaorana amin’ny fanatitra; koa rehefa afaka izany dia izay vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny fa amin’izao no hahitanareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany eo amin’ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, izay vao mihinana, izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy ianareo anio».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho hitanareo izy raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo, mialoha ny hiakarany hisakafo ao amin’ny toeram-panasinana. Tsy hisy olona hihinana alohan’ny ahatongavany, satria izy no tsy maintsy mitsodrano ny sorona; dia aorian’izay vao hihinana ireo olona nasaina. Koa miakara amin’izay ianareo, fa ho hitanareo anio izy.
Malagasy Bible 1865
ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa raha vao miditra ao an-tanàna ianareo dia ho hitanareo izy raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ny toerana fanaovana sorona; fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, satria izy no manao fisaorana amin’ny fanatitra; koa rehefa afaka izany dia izay vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny fa amin’izao no hahitanareo azy.
malagasy