1 Samuel 9:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy, ary nony tonga tao izy ireo dia indro, nifanena taminy teo am-piakarana ho any amin’ny toerana fanaovana sorona i Samoela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra tao an-tanàna izy. Efa tafiditra teo afovoan’ny tanàna izy, dia inty i Samoela nivoaka nitsena azy, dia ndeha ho eo amin’ny fitoerana avo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra ny tanàna i Saoly sy ilay mpanompony; ary raha vantany vao tafiditra tao izy roa lahy, dia indro tafahaona tamin’i Samoela izay nivoaka indrindra ny tanàna hankeny amin’ilay toeram-panasinana.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy, ary nony tonga tao izy ireo dia indro, nifanena taminy teo am-piakarana ho any amin’ny toerana fanaovana sorona i Samoela.
malagasy
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.