1 Samuel 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namaly an’i Saoly i Samoela hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ny toerana fanaovana sorona; fa hiara-misakafo amiko ianareo anio, ary raha maraina dia havelako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra manahirana anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko ianareo anio; rahampitso vao halefako handeha ianareo, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny navalin’i Samoela: –Izaho no izy. Koa dia mialohava ahy any amin’ny toeram-panasinana ianao, fa hiara-misakafo amiko ianareo anio; ary rahampitso maraina, rehefa voalazako avokoa izay tianao ho fantatra, dia halefako mody ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namaly an’i Saoly i Samoela hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ny toerana fanaovana sorona; fa hiara-misakafo amiko ianareo anio, ary raha maraina dia havelako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra manahirana anao.
malagasy