1 Samuel 9:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny Zanak’Israely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra, ary nanan-tombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Kisy nanan-janakalahy atao hoe Saoly izay tovolahy sady taviny no volony; tsy nisy teo amin’i Israely nihoatra azy tamin’ny hatsaran-tarehy, ary nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra koa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny Zanak’Israely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany.
malagasy