1 Samuel 9:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza malahelo ny amin’ny borikinao izay efa very hateloana fa efa hita ireny; ary ho an’iza ny zava-tsoa rehetra eo amin’ny Israely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary aza manana eritreritra ny amin’ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an’iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin’i Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ireo borikivavy very hateloana, dia aza manahy intsony ianao, satria efa hita izy ireo. Ary iza moa ankehitriny no tena ilain’ny vahoaka israelita fa tsy ianao sy ny fianakavian-drainao ve?
Malagasy Bible 1865
Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza malahelo ny amin’ny borikinao izay efa very hateloana fa efa hita ireny; ary ho an’iza ny zava-tsoa rehetra eo amin’ny Israely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
malagasy
Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?