1 Samuel 9:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly i Saoly hoe: Tsy benjaminita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny fokon’Israely? Ary tsy ny fianakaviako va no kely indrindra amin’ny fianakavian’ny fokon’i Benjamina rehetra? Koa nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navalin’i Saola: «Moa tsy Benjaminita aho, amin’ny kely indrindra amin’ny fokon’i Israely? Ary amin’ny fokon’i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany amiko?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Saoly hoe: –Fa izaho ahoana? Izaho anie ka avy amin’i Benjamîna e, avy amin’ilay foko kely indrindra amin’ny fokon’ny Israely? Ary ny fianakavian-draiko moa ve tsy ilay fianakaviana vitsy indrindra amin’ny fokon’i Benjamîna? Koa ahoana no ilazanao zavatra toy izany amiko?
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly i Saoly hoe: Tsy benjaminita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny fokon’Israely? Ary tsy ny fianakaviako va no kely indrindra amin’ny fianakavian’ny fokon’i Benjamina rehetra? Koa nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
malagasy