1 Samuel 9:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitondra an’i Saoly sy ny zatovony i Samoela ka nampiditra azy tao amin’ny efitrano iray sady nanome azy ireo ny toerana aloha teo amin’izay nasaina; olona telopolo eo ho eo izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nentin’i Samoela, i Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin’ny efitrano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin’ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo dia notarihin’i Samoela hiditra tao amin’ny efitra fisakafoana i Saoly sy ny mpanompony ka napetrany teo amin’ny toeram-boninahitra niaraka tamin’ireo vahiny nasaina miisa telopolo eo ho eo.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitondra an’i Saoly sy ny zatovony i Samoela ka nampiditra azy tao amin’ny efitrano iray sady nanome azy ireo ny toerana aloha teo amin’izay nasaina; olona telopolo eo ho eo izy ireo.
malagasy
Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.