1 Samuel 9:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifoha vao maraina izy ireo; koa nony nazava ratsy ny andro dia niantso an’i Saoly teo an- tampon-trano i Samoela sady niteny hoe: Mitsangàna fa hanatitra anao aho. Dia nitsangana i Saoly ka nivoaka ho any alatrano izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin’i Samoela ho ao ambony tafo i Saola nataony hoe: «Mitsangàna fa halefako ianao». Dia nitsangana i Saola, ka niara-nivoaka izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso dia nifoha maraina be i Saoly sy ny mpanompony. Rehefa nazava ratsy ny andro, dia niantso an’i Saoly avy teo an-tampon-trano i Samoela hoe: –Miomàna ianao fa hateriko antsasa-dalana. Dia nanaiky i Saoly, ary niara-nivoaka ny trano izy sy i Samoela.
Malagasy Bible 1865
Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifoha vao maraina izy ireo; koa nony nazava ratsy ny andro dia niantso an’i Saoly teo an- tampon-trano* i Samoela sady niteny hoe: Mitsangàna fa hanatitra anao aho. Dia nitsangana i Saoly ka nivoaka ho any alatrano izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.
malagasy
Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.