1 Samuel 9:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nidina teo amin’ny sisin’ny tanàna izy ireo dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo. Dia lasa nandeha izy. Fa mijanòna kely ianao mba hampihainoiko ny tenin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafidina any amin’ny faran’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao». Dia nialoha ilay mpanompo. «Ary mijanòna ianao izao hampandrenesako anao izay nambaran’Andriamanitra».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony mby teo amin’ny faran’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Lazao ny mpanomponao hialoha antsika. Rehefa lasa lavitra ilay mpanompo, dia hoy indray i Samoela hoe: –Ary ianao kosa, mijanòna eto ankehitriny, fa tiako hampahafantarina ny tenin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.