1 Samuel 9:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha namakivaky ny tany be havoana any Efraima izy ka namakivaky ny tany Salisa, nefa tsy nahita; nandeha namakivaky ny tany Salima indray izy avy eo, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namakivaky ny tanin’ny Benjamina izy, nefa mbola tsy nahita ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin’i Benjamina izy, fa tsy nahita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitety ny faritra be tendrombohitra any Efraîma aloha i Saoly sy ilay namany, avy eo ny faritanin’i Salisà, nefa tsy nahita na inona na inona; dia namakivaky ny faritanin’i Salima indray izy ireo, nefa tsy mbola nahita ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha namakivaky ny tany be havoana any Efraima izy ka namakivaky ny tany Salisa, nefa tsy nahita; nandeha namakivaky ny tany Salima indray izy avy eo, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namakivaky ny tanin’ny Benjamina izy, nefa mbola tsy nahita ihany.
malagasy