1 Samuel 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo amin’ny tany Zofa izy ireo dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony izay nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no hampanahy an’Ikaky fa tsy ny boriky intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo amin’ny tanin’i Sofa izy ireo, dia hoy i Saola tamin’ity mpanompony nanaraka azy: «Handeha isika hiverina, fandrao dia isika indray no ahin’i dada, fa ny ampondra tsy hoheveriny intsony».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga teo amin’ny faritanin’i Tsofo izy ireo, dia hoy i Saoly tamin’ilay mpanompo nanaraka azy: –Andeha hitodi-doha hiverina isika, sao isika indray no mampanahy an’i Dada fa tsy ny borikivavy intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo amin’ny tany Zofa izy ireo dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony izay nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no hampanahy an’Ikaky fa tsy ny boriky intsony.
malagasy
Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.