1 Samuel 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly an’i Saoly indray ilay zatovo hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekela; homeko ny lehilahin’Andriamanitra izany mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly indray ilay mpanompo ka hoy izy tamin’i Saola: «Inty eto nahita vola ampahefatry ny sikla aho tatỳ amiko, ka homeko ilay olon’Andriamanitra ity, dia hatorony antsika izay lalan-kalehantsika».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’ilay mpanompo an’i Saoly hoe: –Mbola manana vola madinika kely izay aho atỳ amiko atỳ; homentsika azy izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony haleha.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly an’i Saoly indray ilay zatovo hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekela; homeko ny lehilahin’Andriamanitra izany mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
malagasy