1 Thessalonians 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany ny Filazantsara torinay fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be. Efa fantatrareo rahateo ny fitondrantenanay teo aminareo mikasika anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin’ny teny fotsiny ihany fa tamin’ny hery aman’asan’ny Fanahy Masina mbamin’ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo.
Malagasy Bible 1865
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany ny Filazantsara torinay fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be. Efa fantatrareo rahateo ny fitondrantenanay teo aminareo mikasika anareo.
malagasy